Loza nahafaty olona 4 teny amin’ny By Pass

Hiakatra fampanoavana anio ilay sinoa


  • Talata 06 Mey 2025

Hiakatra fampanoavana anio talata 6 mey 2025 ilay teratany sinoa voalaza

fa rangory fototry afo tamin’ilay loza mahatsiravina teny amin’ny By Pass akaikin’ny kianja Elegeco Plus ny alin’ny 30 aprily teo. Raha tsiahivina fohy, ny fisongonana tsy nahomby sy setrasetra nataon’ity sinoa ity nitondra fiara Huiyndai i30, izay voalaza fa mamo teo am-pamiliana no nitera-doza, nandona fiara roa ka naha lasibatra fiara Renault Clio nisy an’ireo olona 4 namoy ny ainy izay nikaperotra tanteraka, ankoatra ny fiara tsy mataho-dalana iray izay nisy fahasimbana ankoatra ireo naratra. Tompon'andraikitra amin'ny fahafatesan'ireo 3 mianaka, izay namela kamboty roa lahy ary, ary ny fahafatesan'ilay mpiara-miasa iray amin’izy ireo tao anaty fiara ihany koa, izay namela kamboty vavikely iray, vao 6 taona monja ity sinoa ity, izay voalaza fa mbola nikasa hitsoaka aza taorian’ny loza saingy vosambotra. Andrasana araka izany izay hivoaka amin’ny fampanoavana sy ny fitsarana satria raharaha isan’ny andrasan’ny maro izy ity.
Toky R  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT