Actualités

Lova 100 taona mahery misy mikasa handrodana Hanao ny fanadihadiana izahay, hoy i Naivo Raholdina


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Nangataka ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, filohan'ny vaomeran 'ny fananan-tany eny anivon'ny antenimeram-pirenena ireo mponina ao Ampefy,

fokontany Ambatonakanga, noho ny fikasan'olona haka ny tanin-drazany izay lovany no sady efa nohajariany 100 taona mahery, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Tamin'ny haino aman-jery no nanaovany antso ka tonga nidina teny an-toerana ity solombavambahoaka ity sy ny mpiara-miasa aminy nihaino ny fitarainana sy antson'ireo mponina ireo rehefa nahazo tso-drano ihany koa tamin'ny solombavambahoakan'i Soavinandriana noho ny tsy naha teny an-toerana azy fa nisy iraka notanterahany. Amin'ny maha solombavambahoakan’i Madagasikara ny tenany koa dia nampanantena ireo mponina izy fa hanao ny fanadihadiana rehetra ary tsy hanaiky ny tsindry hazolena sy fanambakana an'ireo mponina eny ambanivohitra ary hanoro hevitra azy amin'ny tokony hikarakarany ny antotan- taratasy rehetra mba ho ara-dalana sy ara-drariny. Manao antso amin'ireo mikasa hividy sy handrodana ireo tranon’ireo mponina ireo i Naivo Raholdina mba hijery ny ara-drariny ka tsy ho voafitak'ireo mety nahavita taratasy an-tsokosoko sy tamin'ny fanambakana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT