Loton’ny rivotra eto Antananarivo

Sarotra ny fanarenana


  • Alakamisy 23 Oktobra 2025

Na mbola azo atao hoe mafàna aza

amin’izao fotoana izao ny raharaha politika eto amin’ny firenena dia tsy hay ihany koa, etsy ankilan’izay, ny tsy hahatsikaritra ny loton’ny rivotra eto Antananarivo, raha ny hita hatramin’ny takarivan’ny omaly aloha. Nitazana avy lavitra ny tena, hoy ny mpampiasa lalana iray avy any Andoharanofotsy, niakatra ny renivohitra, nihevitra fa orambe no tazana. Noho ny tafiditra nefa, hoy izy, hay tena loto no tazana. Hatreto, raha tsiahivina, dia mbola voasokajy ho isan’ireo renivohitra maloto indrindra eto ambonin’ny tany ny renivohitr’i Madagasikara. Hita ho mbola sarotra ihany koa aloha ny fanarenana mikasika izay loton’ny rivotra eto Antananarivo izay, indrindra, niampy ireny loto nentin’ny hetsika fidinana an-dalambe farany teo ireny, izay nampiasàn’ireo hery ara-tafika entona mandatsa-dranomaso efa lany daty.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT