Lonilony sy ady tany

Trano tsara tarehy voatery narodana tany amin’ny RN7


  • Zoma 09 Febroary 2024

Niteraka resabe omaly ny zava-nitranga mikasika ilay trano tsara tarehy

narodana tao Tsarasaotra Ambositra, lalam-pirenena faha-7. Araka ny voalaza moa dia resy tamin’ny raharaham-pitsarana ilay nanorina ny trano teo amin’ny toerana ka antony naha voatery azy ireo handrodana ny efa nihariana an-taona maro. Gaga ny manodidina ka nametra-panontaniana hoe angaha dia tsy mba nisy fifanarahana azo natao mihitsy? Fa naninona raha novidiana ihany ilay tany rehefa mba nisy an’izao natsangana teo amboniny? Azo ambara ho nangasihasy hatramin’ireo mpitazana satria dia tena kanto dia kanto ity fonenana izay niorina teo an-toerana ity.
EFA NISY DIDY NILAZA FA MPANDRESY NY TOMPON’NY TANY FONY MBOLA TSY NITSANGANA NY TRANO ?
Raikitra ny toraka nandritra nandritra ny fandravana ny trano, ka mpandrava miisa 2 no naratra. Voalazan’ny manam-pahefana ao an-toerana fa efa ela no niady ireo nanorina ny trano sy ireo voalaza fa tompon’ny tany. Misy ny fanazavana milaza fa tamin’ny mbola tsy nitsangana akory ny trano no efa nisy didy nanamafy fa mpandresy ny tompon’ny tany, saingy nanohy ny andaniny. Ranomaso ny an’ny fianankaviana rava trano teo anatrehan’ity tranga ity. Voalaza fa nisy tamin’ireo fokonolona ihany koa nitoraka an’ireo mpandrava ny trano. Nitohana ny fifamoivoizana ka hatramin’ireo mpandeha taksibrosy ihany koa aza nandray anjara tamin’ny fitorahana, raha ny tatitra.
J. Mirija/Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT