Actualités

Lonilonin’ny sivily sy ny mpitandro filaminana « Fositra ny fampiasana ny zandary amin’ny tsy tokony ho izy »


  • Talata 20 Febroary 2024

Ilay Ankazomiriotra na ny tany Ankazobe dia zavatra mampihoron-koditra,

ary misy hidiran’ny mpitandro ny filaminana, na ampidirina na miditra. Ny olana dia tsy misy ny « présomption d’innocence » na ny maha mbola tsy meloka ilay olona raha tsy misy didim-pitsarana, fa tonga dia meloka ilay olona », hoy Atoa Mektoub Omar El Camille izay zandary teo aloha, nivoaka tamin’ny andiany faha-12. « Izaho tsy manao « corporatisme » amin’ny maha efa zandary ahy, ary anisan’ny malahelo ity « corps » nisy ahy taloha ity aho amin’ny nampiasana azy, na tany amin’ireny Hetsika Fotsy ireny, rehefa ampiasaina amin’ny tsy tokony hampiasana azy ilay Tanindrazana sy ny lalàna dia malahelo aho », hoy Atoa Mektoub El Kami, izay nanamarika fa tsy nandeha nilahatra na taiza na taiza fa mitazana sy mipetraka amin’ny maha Raiamandreny. Notsipihiny fa 3 volana nijoroan’ny governemanta isika izao, kanefa mbola tsy voatendry ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika sy ny Kaomandan’ny zandarimariam-pirenena ka izy no manome baiko ? Nisy moa ilay fanehoan-kevitry ny Jeneraly Misotro ronono Ravalomanana Richard fa ho sahirana ny zandary sy ny polisy raha ho vitavita ho azy ny tranga tany Ankazomiriotra. « Ialako tsiny, fa zandriko ry Jeneraly Ravalomanana, izy andiany faha-13 fa izaho andiany faha-12. Sady mamono olona no mamono « élément » ny zavatra tenenin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Izaho tsy nahita hoe : nitana fibaikoana kaompania tany izy ka niaraka tamin’ny dahalo. Tamin’ny andronay taloha dia misy « anthropologie » nampianarina anay nalefa tany hoe : niditra avy aiza ilay dahalo, nivoaka taiza, inona no nataony ? mba hahafantarana hoe : tena dahalo ve no nanafika satria ny resaka dahalo dia misy filozofia, ary tamin’ny andronay tsy nisy hoe : naripadripaka fahatany ny dahalo, fa nojerena hoe : avy taiza no niditra nahafantarana hoe : vondron’olona tahaka ny ahoana. Tsy misy faty olona dia tratra ary alefa amin’ny tribonaly », hoy hatrany Atoa Mektoub El Kami. Efa 45 no nialako zandary, fa reharehako, kanefa raha ny zava-misy amin’izao dia tokony haverina ny «moralité», ny zavatra niseho talohan’ny fifidianana filoham-pirenena no lasa fitaratra, tahaka ny hoe : lasa miaro olon-dratsy,raha tsy hilaza afatsy ny hoe : « gros bras » voasambotra dia avotsotra. Misy baiko na « commandement politique » rehefa tarafina amin’ireny, hoy hatrany Atoa Mektoub Omar El Camille.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT