Lonilon-tokantrano

Novonoiny ny zanany, dia namono tena izy


  • Alatsinainy 18 Desambra 2023

Lasa mifanahim-biby ny ankamaroan’ny olona eto amintsika, eny fa na dia ireo heverina ho

akaiky ny tena indrindra. Asa na noho ny tsy fahazakana intsony ny hasarotan’ny fiainana na vokatry ny fandraisana zava-mahadomelina fa tena misy mahavanon-doza manafaka aina mihitsy. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona no nahavita namono nahafaty an-janany tany Vinanintelo Manakara ny faran’ny herinandro teo. Novonoiny io zanany vao 5 taona monja io ka rehefa vitany izay dia nananton-tena ihany koa izy ka niara-nandao ny tany izy mianaka. Raha araka ny fantatra dia vokatry ny tsy fifanarahana nisy teo amin’izy mivady no niteraka izany. Lasa nisitaka ilay Ramatoa ka tsy nahazaka izany ilay Rangahy. Navelany tao amin-dRainy ihany koa ilay zaza. Tsy nahazaka ny fandaozan-dReniny azy anefa ity farany ka lasa nijokojoko tany amin’ilay nitondra folo volana an-kibo azy ny ampitson’ny nisarahan’ireo nahitany masoandro. Tezitra ilay Rainy vokatr’izany ka nalainy tany amin-dReniny ilay zaza. Teny an- dalana hamonjy fodiana izy mianaka noho izany no nokapainy tamin'ny famaky ny lohan- janany. Maty avy hatrany ity farany ka rehefa hitany fa tsy avotra intsony itsy voalohany dia nananton-tena ihany koa izy raha vantany vao tonga tao an-tokantranony. Tao anatin’ny ranomaso tanteraka moa no nahenoan’ilay Ramatoa fa maty avokoa ireo vady aman-janany izay vokatry ny tendrom-po tsy mba namana kely fotsiny ihany. Ny andro rahateo ankatoky ny fety.
Pati
Legende : Ilay Rangahy nananton-tena hita faty tao an-tokantranony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT