Lola Rasoamaharo

Sady gadraina no robaina fananana…


  • Alarobia 21 Mey 2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

eo ambany fepetra henjana sy amin’ny fomba heverina ho tsy ara-drariny. Ankoatra ny fahafahana izay efa voahitsakitsaka, dia iharan’ny fanagiazana fananana goavana ihany koa izy, izay heverina fa notanterahin’ireo olona akaiky ny fitondrana, hoy ny lahatsoratra an-gazety an’habaka niparitaka nanomboka omaly. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny raharaha, dia voasambotra tamin’ny fomba mampiahiahy i Lola, ary voaheloka araka antontan-taratasy heverina fa foronina, hoy hatrany io lahatsoratra io. Tamin’ny taona 2024, ny fivoahany vonjimaika ara-pitsaboana, izay ara-dalàna tanteraka, dia nadika ho fikasana handositra fonja ka nitondra fanenjehana vaovao nanampy trotraka. Rehefa manao fitarainana na mangataka fitsinjovana izy dia mivadika ho vesatra indray izany. Ao ambadiky ny fijaliana mahazo an’i Lola ankehitriny dia mipoitra ny anaran’i B.R., izay olom-pantatra akaiky azy taloha sady voatondro ho loharanon’ny famotehana azy. Araka ny fijoroana vavolombelona maromaro sy mifanojo, dia nanaraotra fahalemen’i Lola i B.R. mba hanjakazaka sy haka an-keriny ny fananany, hoy hatrany ny fampahalalam-baovao. Vantany vao voasambotra i Lola, dia nanomboka nikarakara hosoka tamin’ny antontan-taratasy ofisialy i B.R., mba hampitondrany amin’ny anarany manokana ny fananany rehetra: tany, trano, fiara... Tsy nisy niangana. Noho ny fahalalany ny antontan-taratasy fananan’i Lola nandritra ny fotoanan’ny fisakaizan’izy ireo, dia mora taminy ny nanomana sy nanatanteraka izany fakana fananana tsy ara-dalàna izany, hoy hatrany io lahatsoratra io, izay marihina fa isan’ny nitatitra an’io ny tranonkalan’ny La Gazette de la Grande Ile an’i Lola Rasoamaharo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT