Actualités

Loha misy tandroka avy any aoriana Mila fandidiana maika i Lidroguez


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Mila vonjy amin’ny fandidiana an-janany ity renim-pianakaviana iray ao Fenoarivo Atsinanana. Vao teraka mantsy i Idroguez dia efa nahitana fahasamponana teo amin’ny lohany, saingy tany am-boalohany dia kelikely ihany ilay izy, fa arakaraka ny fitomboan’ilay zaza dia nitombo ihany koa ilay zavatra mivoitra

Roa volana i Lidroguez izao ary efa mahatratra 10sm ny halavan’ilay zavatra eo amin’ny lohany. Voalazan’ny mpitsambo anefa fa azo didiana tsara izy io noho izy tsy misy ifandraisany amin’ny atidohany fa eo ivelany ihany. Mila vola be anefa ny fanaovana izany ka izay no iantsoan’ity renim-pianakaviana ity vonjy amin’ireo afaka hanampy azy. Ny atahoran’ny renin’ity zazalahy vao roa volana ity, dia ny ho fitomboan’ilay zavatra amin’ny fahalebiazany ary mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamany koa. Ireo izay liana amin’ny ho fanampiana dia afaka manatona ny hopitaliben’i Fenoarivo Atsinanana mandray an-tanana azy mianaka.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT