Lodisia tonga etsy Anosibe

Ratsy kalitao kanefa lafo


  • Alatsinainy 25 Novambra 2024

Ratsy ny vokatra lodisia tonga etsy amin’ny tsenan’Anosibe raha araka ny fanadihadiana natao no sady lafo.

Mbola mahatratra 45.000 Ar mantsy ny iray garaba milanja 30 Kg amin’izao raha toa ka 30.000 Ar izany tamin’ny taon-dasa. Hatreto dia mbola ny lodisia avy any Manakara no tonga betsaka eto an-drenivohitra raha somary vitsy no sady madinika sy maitso kosa ny avy any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany sy ny avy any Atsinanana. Velon-taraina mafy ireo mpivarotra mpaninjara vokatr’izany. Lasa matahotra ny amin’ny kalitaon’ny lodisia hamidy mantsy ireo mpividy no sady mbola tsy ampy ihany koa ny ranon’orana hany ka malaina. 3.000 Ar no ivarotan’izy ireny ny iray kilao nefa tsy mahalany 3 garaba isan’andro ny mpivarotra iray. Tamin’ny taon-dasa tahaka izao anefa hoy ny fanazavana dia misy mahalany 5 garaba isan’andro ny mpivarotra mpaninjara iray. Midina ho 4 garaba izany rehefa tena tsy misy tsena.
Pati
(Sary fanehoana) 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT