Actualités

LNTPB Alarobia ISO 9001 no kadoan’ny faha-60 taona


  • Zoma 13 Jona 2014

Reharehan’ny Malagasy ny fananana ny laboratoara LNTPB (Laboratoire National des Travaux Publics et du Bâtiment) etsy Alarobia Antananarivo izay ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona niorenany ankehitriny (1954-2014).

Izy ity no hany orinasa azo antoka fa hany tokana eto Madagasikara manana ireo fitaovana entina mitily ireo akora entina manangana fotodrafitrasa manara-penitra eto amintsika. “Tsy maintsy miantso anay ireo rehetra te-hanangana fotodrafitrasa tena manara-penitra”, hoy ny Tale jeneraly Randrianarisata Louis de Gonzague, tao anatin’ny lanonana fanokafana ny fankalazana ity faha-60 taona ity omaly tetsy Alarobia. Izy rahateo moa no namariparitra tamin’ny antsipirihany ny tantaran’ity orinasa ity izay nitety vanimpotoam-pitondrana nifanesy. Tena mamokatra ny fiaraha-miasa “Gagnant-gagnant” eo amin’ireo ivontoerana ambony sy ny LNTPB fa avy amin’ny fikarohan’ireo injeniera tanora no nahafantarana fa azo ampiasaina tsara hanamboaran-dalana eto amintsika ny vokatra any Bemolanga sy Tsimiroro. Tao anatin’izay fanombohana ny fankalazana ny faha-60 taona omaly izay moa ny fanolorana mariboninahi-pirenena ireo mpiasa miisa 64 nahavita be tao amin’ny LNTPB sy ny fametrahana ny tsangambato fahatsiarovana. Lanonana iray hafa nomarihana omaly koa ny faha-25 taonan’ny fikambanan’ny mpiasan’ny LNTPB hifampitsinjovana ankafaliana sy ankaratsiana izay tena nahitan’ny mpiasa tombony tokoa tao anatin’izay vanim-potoana izay ary ny farany tena goavana izay azo ambara fa “cadeau d’anniversaire” ho azy ireo dia ny nahazoan’ny LNTPB ny “certification” ISO 9001-2008 ka mbola hampisongadina bebe kokoa sy hampitombo ny fahatokisan’ny rehetra an’ity orinasa ity eo amin’ny kalitao raitra efa natolony hatrizay. Tonga nanolotra nivantana izany tamin’ny Tale jeneralin’ny LNTPB mihitsy Atoa François Schmitt izay solontenan’ny AFNOR International Madagascar.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT