LISEA TEKNIKA SOAVINA

Zanaka mpitandro ny filaminana


  • Zoma 24 Oktobra 2025

nitondra big boss nanepotra

Fantatra fa zanaka mpitandro ny filaminana ilay mpianatra iray nitondra big boss nanempotra ireo mpianatra iray efitrano tao amin'ny Lisea teknika Soavina, distrikan'Atsimondrano tranga niseho ny Talata 21 Oktobra teo. Raha araka ny vaovao azo dia mpianatra handeha hanao EPS ireo mpianatra lasibatra ireo ka nisolo akanjo. Nomen'ilay ankizy mpianatra zanaka mpitandro ny filaminana ny namany noho izany ilay big boss kinanjo noheverin'ireto farany fa déodorant. Tsy nambarany rahateo ny momba ilay fitaovana. Nandramany nopitsirina izany kinanjo nitera-doza. Mpianatra miisa 7 izay tovovavy avokoa no voatery naiditra hopitaly tamin'io Talata io vokatr'izany ary efa nivoaka ny hopitaly tamin'io Talata hariva io ihany. Efa tonga nifampiraharaha tamin'ny tompon'andraikitry ny sekoly moa ny Ray aman-dRenin'ity ankizy mpianatra ity omaly Alakamisy 24 Oktobra hoy ny vaovao. Fantatra tamin'izany fa any Ankady Tanjombato no mipetraka ilay ankizy mpianatra nitazona ilay big boss. Noho ny halaviran'ny toerana dia nomen-dRay aman-dReniny azy izany ho fiarovany ny tenany. Marihina moa fa tsy mila taratasy manokana ny fitondrana na fitazonana big boss saingy tsy azo deradera kosa. Voasokajy ho laharana fahadimy ao anatin'ny fitaovam-piadiana ny big boss
Pati
Légende : Teto amin'ity Lisea ity no nitrangan'izany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT