Tonga eto mitsidika eto Madagasikara hatry ny alahady 7 septambra ka hijanona eto hatramin’ny 21 septambra ho avy izao ny Lions Mjf Georges Leung Shing, governora voalohan’ny district 403B2-n’ny Lions Club International hivondronan’ny Lions Clubs eto Madagasikara, Maurice, La Réunion, Iles Comores, Mayotte ary Djibouti
Avy nanolotra ny « charte » an’ny « Lions Club Le Tampon Concession » izy izao tonga eto Madagasikara voalohany izao ary mbola hiverina in-droa eto mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasany amin’ny taona ho avy 2015. Antananarivo sy Toliara no toerana hotsidihany. Marihina fa Ambositra sy Fenoarivo Atsinanana no efa naharay ny “charte” tamin’ny fiandohan’ny fiasan’ity governora ity ary hahazo ny azy koa ny sampana Lions Club any Ste Marie sy Moramanga. Tonga nitsena ity vahiny ity teny Ivato tamin’ny alahady ireo mpikambana Lions sy Leo marobe misy eto amintsika ka notsiahiviny tamin’izany fa tsara ho an’ny Lions Club Malagasy ity taona diavina ity satria efa nahazoana famatsiam-bola 3 be izao dia ny famatsiam-bola mitentina 20 800 dolara amerikanina hanatanterahana ny tetikasa “Education Citoyenne Lions Quest”, famatsiam-bola mitentina 23 318 dolara amerikana hanatanterahana tetikasa fanorenana sekoly fanabeazana fototra misy kilasy 5 ao amin’ny tanànan’Ambohitrimo Ambohimanga, famatsiam-bola 20 000 dolara amerikanina hanorenana toeram-pandidiana maso any Sambava. Ny ho avy dia eo ny tetikasa fananganana ny “Aire de jeux” etsy amin’ny hopitaly Hjra Ampefiloha ho an’ny zanaky ny marary avy amin’ny « Médico France Lions Clubs », tetikasa famatsiam-pitaovam-pitsaboana aretim-po ao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana. Efa mandeha ny fampiraharahana amin’ny « Médico France Lions Clubs » hahazoana fitaovana efa niasa fa mbola tsara mitentina 125 000 euros. Notsiahivin’ity governora ity fa ahitana klioba 34 eto Madagasikara ankehitriny, izany hoe klioba 1 ho an’ny mponina 643 000, klioba 1 ho an’ny mponina 130 000 no misy atsy Maorisy. Mampirisika ny firaha-miasa fanakambanana klioba eto Madagasikara sy Maorisy ary La Reunion i Lions MJF Georges LEUNG SHING, Gouverneur du District 403B2.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.