Nitsidika tamin’ny fomba am-panajana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra nosoloantenan’ny lefitra voalohany ny fiadidiana ny tanàna, Col Ramboasalama Emilien sy ny talen’ny kabinetra Jean Claude Rabarijaona teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely,
Georges Chane-Tune, Governoran’ny distrika 403.B2 an’ny Lions Club, narahan’ireo delegasiona mafonja notarihiny. Noresahana nandritra ity fihaonana ity ny hisian’ny atrikasa izay haharitra herintaona, manomboka ity volana septambra ity ka hatramin’ny taona 2018. Atoa Georges Chane Tune moa, ankoatra ny maha governoran’ny distrika 403. B2 azy dia misahana ny Lions MJF, sy La Réunion, Maurice, Comores, Mayotte, Djibouti ary i Madagasikara. Ny fitsinjovana ny olona sahirana eny amin’ny faritra iva no sehatra iasan’izy ireo, eo ihany koa ny tontolon’ny fahasalamana toy ny fitsirihana ny Diabeta, ny fijerena maso sy ny maro hafa, indrindra ny tontolo iainana no tena asa imasoan’ny Lions Club. Zava-dehibe ny fihaonana tahaka izao izay mifantoka indrindra amin’ny asa sosialy, fanampiana ny mpiara-belona ary mitovy rahateo ny tanjon’ny roa tonta na ny kaominina Antananarivo Renivohitra na ny Lions Club.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.