Hanangana oniversite amin'ny renivohi-paritany efatra ny sekoly Les Rossignols etsy Ambohimanarina
Nandritra lanonana nentina namaranana ny taom-pianarana 2013-2014 izay notanterahina ny faran'ny herinandro teo no nanambaran-dRabezanahary Albert, talen’ny sekoly izany. Tafiditra ao anatin'ny fankalazan'ny sekoly ny faha-25 taona niorenany izao entina hanatsarana ny fanabeazana omena ny zana-bahoaka. Voakasik'izany ny eto Antananarivo, ny ao Toamasina, Mahajanga ary ny ao Fianarantsoa. Tombony ho an'ny sekoly ny fiaraha-miasany amin'ny any ivelany ho
fanatevenana ny fahalalan'ny mpianatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.