Actualités

Leonidas Tezapsidis Handao an’i Madagasikara


  • Zoma 25 Jolay 2014

Handao an’i Madagasikara rehefa avy niasa teto nandritra ny efa-taona sy tapany Atoa Leonidas Tezapsidis masoivoho, lehiben’ny delegasion’ny vondrona eoropeanina eto amintsika. Omaly izy no nitsidika ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha no sady nanao veloma azy ihany koa.

Anisan’ireo diplaomaty niasa mafy tamin’ny fandaminana ny krizy sy ny fikarohana ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana i Leonidas Tezapsidis ary nitondra ny anjara birikiny sy ny traikefany ho fandaminana ny krizy. Nambarany fa manohana hatrany ny fanampiana ireo olona sahirana ara-pivelomana eto Madagasikara ny vondrona eoropeanina. Eo am-pikarakarana ny famoahana ny vola ao amin’ny FED andiany faha-11 isika izao. Manantena aho, hoy izy fa tena hivoaka amin’ny krizy i Madagasikara, resaka marimaritra iraisana foana ny politika, raha mandeha haingana loatra mety ho diso famindra, raha miadana loatra dia ho sosotra ny vahoaka satria ela fiasa ny fanjakana. Tsy maintsy mitady ny marimaritra iraisana foana, hoy i Leonidas Tezapsidis. Nohamafisiny fa hanampy sy hanohana an’i Madagasikara foana ny vondrona eoropeanina, ary miezaka handresy lahatra mandrakariva ireo mpiara-miombon’antoka. Niasa teto Madagasikara nanomboka ny 11 janoary 2010 izy , saingy  ny 18 janoary 2012 kosa vao nanatitra tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy fanendrena azy tamin’ny filohan’ny tetezamita, rehefa voasonia ny tondrozotra ary voatendry ny praiminisitry ny marimaritra iraisana. Nosalorana ny mariboninahitra Commandeur de l’Ordre National Malagasy araka ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny governemanta ny talata lasa teo moa Atoa Leonidas Tezapsidis mialoha ny an-daozany tanteraka an’i Madagasikara ny 30 jolay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT