Actualités

Leo, dia niala ny DG- ny Air Madagascar Nanao be fiavy avy hatrany ao amin’ny C.A ny HVM


  • Alarobia 09 Jolay 2014

Mandalo fotoan-tsarotra ny kaompaniam-pitaterana nasionaly Air Madagascar. Nametra-pialana omaly ny tale jeneraly sady mpanamory Hugues Ratsiferana rehefa nitana io andraikitra io nanomboka ny 08 jolay 2011, fony mbola tetezamita.......

Manana vina ny hampiroborobo ny Air Madagascar anefa ny tenany, ary vao talohan’ny fetim-pirenena teo no nisantatra ny fanokafana zotra vaovao mampifandray mivantana an’i Marseille amin’i Nosy-Be. Inona no nanosika azy hametra-pialana tampoka ? Ny tonga eo am-bavan’ny maro aloha dia ny fitotongan’ity kaompaniam-pitaterana nasionaly ity. Omaly ihany dia nivory maika ny Filankevi-pitantanan’ity orinasam-panjakana, nanendry ny tale jeneraly mpisolo toerana vonjimaika dia i Haja Raelison, izay tale ara-barotra teo anivon’ny Air Madagascar ihany. Nisy ihany koa ny fanoloana ireo mpikambana sasany teo anivon’ny Filankevi-pitantanana, notazomina ho sivy ihany anefa ny isan’ny mpikambana. Nesorina i Hery Rajaonarimampianina izay filohan’ny Filankevi-pitantanana, izy rahateo moa tsy ho afaka hampivady io andraikitra io amin’ny asan’ny filoham-pirenena. Nesorina ihany koa i Mamy Ravatomanga, izay solontenan’ny mpandraharaha teo anivon’ny Filankevi-pitantanana, toy izay koa Ramanantsoa Benjamina Ramarcel minisitry ny fitaterana tamin’ny tetezamita. Nampidirina ho mpikambana vaovao kosa i Henry Rabary Njaka, Talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Repoblika sady sekretera jeneralin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM), Me Nicole Randrianarivoson, mpanolotsain’ny filohan’ny Repoblika sady mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny HVM ary i François Randriamahandry, Tale jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) teo aloha. Manampy azy ireo i Kohler Eric solontenan’ireo mpandraharaha ara-pizahantany, ity farany izay niatrana teny ambony lapihazo niaraka tamin’ireo oloben’ny HVM nandritra ny fivorian’izy ireo tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ny sabotsy 05 jolay teo. Manampy azy ireo i Patrick Andriambahiny, solontenan’ny tranom-piantohana Aro sy Robimanana Orlando, tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana, ary ny mpanamory isany Boto Enrico sy Lemena Jean de Dieu. Izay ve no endrik’ilay fandraisana an-tanana ataon’ny fanjakana ity orinasa ity araka ny fampitam-baovaon’ny Filan-kevi-pitantanana naparitaka tamin’ireo trano fanoratana omaly ? Raha ny fahitana azy aloha dia manao be fiavy ary hanjakazakan’ny HVM ny Air Madagascar.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT