LEO DELESTAZY, RANO TSY MISY

Manomboka mihetsika Antananarivo !


  • Zoma 19 Septambra 2025

Taorian’ny tany Imeritsiatosika ny alarobia teo, namely tampoka

tamin’ny alalan’ny hetsika fanehoana ny tsy fankasitrahana intsony ny delestazy ireo mpanolotsaina Monisipaly 3 mianadahy voafidy tamin’ny anaran’ny TIM teto Antananarivo : Baba Rakotoarisoa, Clémence Raharinirina, Lily Rafaralahy omaly. « Rehefa miantso ny olona amin’ny fandraharana an’onjam-peo ataonay, dia fitarainana mikasika ny jiro sy rano ny 99% ary saika miteny ny olona hoe mihetseha ianareo. Manana olona jiro sy rano Antananarivo sy Madagasikara manontolo », hoy izy ireo. Nanao karazana « geste symbolique » na fihetsika fanehoana izany tamin’ny alalan’ny fitarihana « bidons jaunes » sy jiron’akoho, niainga teo Andrefan’Ambohijanahary niazo ny Lapan’ny Antenimierandoholona nanehoana fa tsy rariny sy tsy azo ekena intsony io olana ara-tsosialy mamotika io. Narahin’ny fampanenoana tamin’ny alalan’ny vata fanamafisam-peo ny feon-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy nitatatata tamin’izany fotoana fa nampantena tamin’ny propagandy ny Fanjakana Rajaonarimampiaina, vavolombelona tany aman-danitra, ny vato masina, razana, kanefa rehefa tonga teo nilaza fa tsy mora, ka tsy tokony nampanantena poakaty. Raha hiverenena dia nolazaina tamin’izany fa zo fototra ny midina an-dalambe, ary vonona izy hirotsaka an-tsehatra satria mijaly ny olona. Nitady ity loholona ity sy nampahatsiahy an’io noho izany ireto olom-boafidy teto Antananarivo ireto, ka nanatitra taratasy miantso an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy hiara-hidina an-dalambe. « Avelao ny olona haneho hevitra !Tsy voatery manongam-panjakana », hoy moa i Lalatiana Rakotondrazafy tamin’izany fotoana.

ENY AMBOHIJATOVO NY FOTOANA
Nambaran’ireo mpanolotsaina Monisipaly kosa fa amin’ny maha mpiahy sy mpiaro ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana io ny antenimierandoholona ihany koa dia tonga izy ireo sady nampahatsiahy tamin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy ny fanambarany, ary nilaza fa tsy nahomby ny lazaina fa don-dabatra nambaran’ity farany matoa mbola misy delestazy, tsy eto Antananarivo ihany fa manerana ny Nosy. Nanoratra taratasy ho an’io Loholona io, nitondra porofo an’ny gazety iray mpankasitraka ny fitondrana tamin’ny alatsinainy lasa teo mikasika ny hoe : « tena misy olana momba ny jiro sy rano », ka tsy mila vaniny, fa tena mijaly Antananarivo. « Androany fotsiny 14 pejy ny fandaharana mikasika ny delestazy, adin’ny efatra raha kely raha adin’ny roa ny delestazy tamin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy nitatatata, eto Antananarivo efa misy mividy rano 2000Ar ny 1bidon. Tena mijaly ny vahoaka fa tsy resaka filam-baniny », hoy hatrany izy ireo. Miandry an-dRtoa Loholona Lalatiana Rakotondrazafy ny bidon jaune sy ny jiron’akoho rehetra, izay mahatsapa fa tsy rariny intsony izao. Hangataka alalana amin’ny ben’ny tanàna sy ny Prefen’Antananarivo. Na mahazo alalana na tsy mahazo alalana, izay tapa-kevitry ny « bidon jaune » sy ny jiron’akoho ihany, fa amin’ny amin’ny alakamisy 25 septambra amin’ny 11ora no fotoana eny Ambohijatovo, raha ny fanamafisana nataon’i Baba Rakotoarisoa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT