Tofoka sy leo tanteraka ny olona, ary miafara eny an’arabe ny fahatezerana vokatry ny delestazy.
Efa tena tsy rariny intsony ny fahatapahan-jiro ety amin'ny tanàna, hoy ireo mponin'Anosizato Andrefana manakaiky ny West Center sy ny mponin' Antandrokomby omaly.Tsy misy hoe ahoana na ahoana fa dia tapaka foana maraina atoandro hariva. Leo izahay koa dia maneho ny hevitray sy ny fahasosoranay, ety an'arabe. Avereno ny jironay! hoy izy ireo, izay nanapaka ny fifamoivoizana noho ny fahatezerana. Miverina eto ihany izahay raha mbola tsy voavaha io olan'ny delestazy manamaizina tanàna sy manamaizina ny fiainanay io, kanefa izahay mandoa faktiora foana, hoy ireto vahoaka tezitra ireto. Tsy vao sambany ny tahaka izao, vao andro vitsy ihany koa no nidina an-dalambe ny vahoaka teny Alakamisy Fenoarivo. Tsy amin’iny manamorona ny RN1 iny ihany, fa saika ny faritra rehetra. Eto Antananarivo, ohatra, dia matetika saika ny alina tontolo no tsy misy herinaratra eo anelanelan’ny amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 5 ora maraina. Betsaka anefa ireo sehatra tena mila herinaratra na amin’ny alina aza, tahaka ny orinasa fanontana gazety, mpanao mofo sy ny maro hafa, manginy fotsiny ny fahamaizinan’ny tanàna izay manome vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.