Leo delestazy

Nitroatra indray ny mpianatr’I Vontovorona


  • Alakamisy 19 Oktobra 2023

Nitroatra indray ny mpianatry ny Politeknika eny Vontovorona vokatry ny delestazy.

Leo sy tofoka tanteraka izy ireo satria miantraika amin’ny fianarana. Misy ny manomana fanohanana voka-pikarohana na ''soutenance'' saingy sahirana noho ny zava-misy. Mitarazoka ny fandraisana andraikitra amin'ity famahana ny olan'ny herinaratra ity ka antony nirosoana amin'izao fitokonana izao raha fanazavana, hoy ny tatitra. Miantsoantso ny mpitondra ireo mpianatra ireo hitondra vahaolana, misy ihany koa ny fandorana kodiarana ataon'ireo mpianatra ao anatin'izany hetsika izany. Tsy vao sambany no nisy fitokonana tahaka izao amin’iny manamorona ny RN1 sy ny manodidina iny satria vao tsy ela ny teny Alakamisy Fenoarivo, Anosizato,… Fa raha miverina kely amin’ny fampianarana ambony dia nanome 72ora ihany koa ny mpianatra eny Ankatso hamahana ny olana samihafa, ankoatra ny efa nisian’ny grevy ny fiandohan’ny herinandro. Dia mbola holazaina ihany ve fa mahomby ny fitantanana ary milamina ny firenena?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT