Actualités

Leo delestazy Nanakan-dàlana ny mponina teny Ivato


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Tapaka lava ny jiro eto Ivato. Maizina ny tanàna. Tezitra amin'ny JIRAMA ny olona ka nigrevy.Miandrandra hazavana ny mponina, miandry ny Jirama amin'ny tanàna maro.

Tonga haingana ny mpitandro filaminana nandamina. Voafehy ny fitokonana”, hoy ny famintinana ny tranga teny Ivato omaly fa madiva ho alina. Noho ny fahatapahan-jiro lava eny an-toerana mantsy, nidina an-dalambe nanakan-dàlana ny olona, izay tofoka tanteraka. Tsy vao sambany ny fahatapahan-jiro lava amin’ny fokontany maro eny Ivato, ny fisitrahana rano moa dia fijaliana tsy roa aman-tany ho an’ny ankabeazan’ny faritra hany ka matetika amin’ny 1ora na amin’ny 2ora maraina no tsy maintsy mifoha raha te hahazo rano. Ny fotoana handehanany amin’io zara raha misy ora vitsy. Vao tapa-bolana lasa no nigrevy nanakan-dàlana ny mponina teny Andranomena satria leo sy tofoka tanteraka, ary io niitatra teny Ivato io. Ny an’Antananarivo Renivohitra moa dia tena niha nahery vaika indray ny fahatapahana tamin’iny faran’ny herinandro teo iny. Toa tsy mba hita any anaty faktiora anefa ireny fahatapahana ireny, ny vahaolana moa toa lavitry ny kitay ny afo, tsy arakaraka ny fanenjehana sy fanakianana ny mpitondra teo aloha. Asa raha mba tsaroan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ilay nolazainy tamin’ny 2018 hoe: 400MW fotsiny ny vitan’ny mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona fa ny ahy izaho irery no hanao 400MW ao anatin’ny 5taona? Lainga sy famitahana vahoaka ve hisy ohatr’ireny dia izao mbola mieritreritra fa mbola hahomby ny tahaka izany? Moa tsy izy ireo izao no tompondakan’ny delestazy?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT