LEMAK’I BETSIMITATATRA

Nihena be ny vary miakatra


  • Talata 07 Janoary 2025

Miroso tsikelikely amin’ny finjinjana ireo vary vokatra eny amin’ny lemak’i Betsimitatatra ireo

mpamboly eny an-toerana amin’izao. Raha araka ny fantatra dia ny lanjan’ny vary (densite) no nihena tamin’ity taona ity vokatry ny tsy fisian’ny ranon’orana. Raha ketsa dimivavy no nataona fianakaviana iray ohatra ary nahazoana 18 gony tamin’ny taon-dasa dia tahaka izay ihany tamin’ity saingy nihamaivana kosa ny lanjany. Tsy mahatratra 50 kg intsony ny iray gony rehefa voatoto fa midina hatrany amin’ny 35 kg any ho any raha betsaka. Nomarihin’ireo mpamboly fa rehefa bevohoka sy madiva ho teraka ny vary no tena mila ranon’orana. Mampahazo aina azy sy hahafahany mitombo be mantsy izany no sady misy azota ihany koa. Nandamoka tanteraka anefa izany tamin’ity taom-pambolena ity, antony nampihena ny lanjan’ny vary. Nambaran’ireo mpamboly araka izany fa tsy ho voafehin’ny voka-bary miakatra ao Betsimitatatra intsony ny vidim-bary eny an-tsena eto an-drenivohitra amin’izao taona vaovao 2025 izao. Tsy maintsy samy hampirina ny vary novokariny mantsy ireo tantsaha hoy izy raha samy nivarotra avokoa izay te-hivarotra teo aloha noho ny habetsahany. Tsy nisy nanao vary aloha rahateo izy ireo noho ny ranon’ny JIRAMA izay voafetra ihany ho an’ireo tantsaha mpamokatra. Toraka izany koa ny vary vaky ambiaty izay maty momoka avokoa vokatry ny tsy fisian’ny ranon’orana.
Pati
Legende : Tamin’ny taon-dasa no nahazo rano farany tahaka izao ny vary tety Betsimitatatra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT