Lemak’Antananarivo

50km mahery ny lakan-drano diovina


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo

dia manatontosa asa mialoha sy mandritra ary aorian’ny fahavaratra, hoy ny tale jeneraliny, Faly Ramanantsoa. Ny asa mialoha natao no nahafahana nahazo vokatra tanatin’ity fotoam-pahavaratra ity, hoy izy. Tsy dia nijanona ela teny amin’ny toerana feno olona maro ny rano na dia betsaka aza ny rotsak’orana. Nampiana ny isan’ireo mpisehatra na «éboueur» satria 130 izy izao. 50km mahery izao ny lakan-drano diovina eto amin’ny lemak’Antananarivo. Ireo 130 no tsinjaraina isan’andro hitety ireny lakan-drano sy dobon-drano ireny. Nanomboka ny volana janoary no efa nanomboka nirotsaka teto amin’ny lakan-dranon’ny farihin’i Masay ny APIPA sy ny mpiara-miombon’antoka fa noho ny asa somary mafimafy isan’andro dia mirotsaka ety isan’andro ny APIPA sy ny mpiara-miasa aminy, hoy hatrany ny tenany. Tsy vita indray andro ny famahana ny olana mikasika ireo fanotofana tany na «remblai», hoy kosa ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny APIPA, Jaona Andrianantenaina Raharison. Manana borigady mihetsika isan’andro ny APIPA mivezivezy eran’Antananarivo andro aman’alina, hoy izy. Matetika amin’ny alina ireny fanotorana tany ireny no ataon’ny olona manao azy amin’ny maha hetsika tsy ara-dalàna azy. Tsy mandry andro aman’alina ny APIPA manenjika ireo kamiao sy mpanototra tany tsy ara-dalàna na dia amin’izao fotoam-pahavaratra izao aza, hoy hatrany ny tenany. Antony maro no mampiakatra ny rano, hoy ihany ny tale jeneralin’ny APIPA. Eo ny rotsak’orana betsaka, hoy izy. Betsaka ny fanorenana tsy ara-dalàna ambonin’ny lakan-drano na eny ambony fefiloha ary ny tena zava-doza dia ny fako ariantsika, atsipitsipintsika any anaty lakan-drano sy renirano dia manentsika ireo fotodrafitrasa ho an’ny fikorinan’ny rano. Isany iainana eto Antananarivo sy ny lemak’Antananarivo izany rehetra izany. Miantso ny vahoakan’Antananarivo mba ho tonga saina tsy hanarinary intsony ny fakony eny amin’ireny rehetra ireny sy hanatsahatra ireny fanotofana tany tsy ara-dalàna ireny. Efa ny taona 2022 no natsahatra ny fanotorana tany. Mbola misy minia manao izany ihany nefa izao. Averina hatrany fa tsy ara-dalàna avokoa ny fahazoan-dalana momba izany amin’izao fotoana izao, ankoatran’ny tetikasam-panjakàna, hoy hatrany ny fanazavàn’ny APIPA teny Ankorondrano ny sabotsy teo.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT