Misy andian’olona tsy fantatra mamariparitra tanimbary amin’ny lemak’Ambohimanarina, Boriborintany fahaenina Antananarivo Renivohitra tato ho ato. Lasibatra amin’izany ny tanimbary eny amin’iny faritra manakaiky lalana « Rocade Andohatapenaka » iny
. Ny tena loza dia misy tanimbarin'olona efa izy tompony izao no mamboly eo, ary tsy nivarotra nefa dia nisy nametraka tsatoka tsotra izao ny taniny. Misy tranga toy izao ihany koa niseho teny Ambohimangakely-Antananarivo Avaradrano teny. Tany amina hekitara manan-tompo ary ananan’izy ireo taratasy ara-dalàna, no nidiran’ny andin’olona milaza fa tompony mandrefindrefy ny tany. Araka ny angom-baovao dia mpanera miara-miasa amin’ny teratany vahiny te hahazo tany no ambadik’izao raharaha izao. Milaza tsy hipetra-potsiny, fa hikaroka ireo andian’olona mpisandoka ireo ary hitondra izany amin’ny fitsarana ireo tantsaha voakasik’izao fisandohana izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.