LEHILAHY TRATRY NY FAMOIZAM-PO

Hita faty nanantonten-tena tao am-piangonana


  • Talata 09 Aprily 2024

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 32 taona no fantatra fa hita faty niantona tao am-piangonana tao Ambohitsiroa-Est, distrikan'Ambohidratrimo, andro vitsy lasa izay.

Raha araka ny fantatra dia tena tsy zakany intsony ny olana nosedrainy tamin’ny fiainana ka naleony nisafidy handao ny tany. Isan'ireo mpianakavy nipetraka tao amin'ilay trano may teny Ankadifotsy Befelatanana vao andro vitsy lasa izay ny tenany. Nisaraka tamin’ny Renin-janany ihany koa izy…Manatitra "cacapigeon" amin’ireny mpivarotra enta-madinika ireny anefa no mba asany. Namono tena izy vokatr’izany, izay voaporofon’ireo tompon’andraikitra tonga nanao fizahana ny razana. Ireo vehivavy mpivavaka ao amin’ity fiangonana ity no naheno fofona hafahafa tamin’ny Sabotsy teo. Rehefa nojeren’izy ireo ny tao amin'ny efitrano fasiana ny vatapatin'ny fiangonana dia hita nihantona tamin'ny tady tao ity Raim-pianakaviana ity izay marihina fa namela kamboty iray. Nalevina omaly Alatsinainy 08 Aprily ny razana raha ny vaovao azonay omaly hariva.
Pati
Legende : Nandritra ny fizahana ny razana nataon’ny mpitandro ny filaminana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT