Actualités

Lehilahy nonina tetsy Ambaninampamarinana Nolazaina fa mpangalatra, nariana faty tany Manjakandriana


  • Alakamisy 04 Mey 2023

Raim-pianakaviana iray nonina teny Ambaninampamarinana no voalaza fa nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tamin'ny faran'ny herinandro teo ary nariana faty any Manjakandriana.

Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia nisy andian'olona tonga tao amin'ny fianakavian'ity lehilahy teny Amparibe nisambotra azy. Voatondro ho nangalatra finday mantsy izy ka tratry ny daroka mandrivorivo. Notorahim-bato sy nitenenan-dratsy ihany koa no sady novelesina tamin'ny vato. Maty vokatr'izany io Raim-pianakaviana io. Tsy nahitana ilay finday voalaza fa very anefa tany aminy. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany dia nantsentsina tao anaty fiara fitaomana entana ny razana ary nariana tany Manjakandriana. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia olona mpanao haiady avy any Manjakandriana no nahavita namono an'Itompokolahy. Karazan'irony lonilony irony araka izany no antony namonoana ity tovolahy ity raha ny fijerin'ny manodidina azy. Manao antso avo ny amin'ny hamoahana ny marina mikasika ity raharaha ity araka izany ny fianakavian'ny maty.
Nangonin'i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT