Lehilahy nilaza nisy nandrahona hatao sorona

Faty efa trobaka ny tendany no novantanin’ny havany


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Lehilahy iray izay voalaza fa handeha hitrandraka harena ankibon’ny tany (mercure),

no hita faty tao anaty toerana iray any Sakalalina Ihosy ny sabotsy teo, araka ny vaovao avy an-toerana. Mbola nahavita niresaka tamin’ny vehivavy iray izay voalaza fa sakaizany ity raim-pianakaviana ity nialohan’ny tsy nahitana azy intsony, ary nilaza ho misy mikasa hanao sorona ny tenany, nefa tsy nahita ny lalan-kivoahana tao amin’ilay toerana, hoy ny vaovao notaterin’ny mpanao gazety iray ao Fianarantsoa. Taorian’izay dia tsy azo antso intsony izy. Teo vao nikoropaka ny fianakaviany ka nidina tany nikaroka azy. Rehefa natao ny fikarohana dia nahita fatin’olona ny fokonolona ary efa nataon’izy ireo tao anaty rotsan-kazo maro, satria nambara fa efa simba ny razana. Niresaka momba ny havany tsy hita ireo fianakaviany, ka voamarina fa izy ilay faty efa nofonosina tsilena sy rotsan-kazo. Nentin’ny fianakaviany ho alevina any Fianarantsoa ny razana, ka teo am-pandevenana vao nojerena, ary teo no nahitana fa nisy trobaka be roa ny tendany. Olona 4 no efa nosamborina atao famotorana, ary anisan’izany ilay vehivavy sakaizany, hoy hatrany ny vaovao avy any an-toerana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

Hijery ny tohiny
FTT