Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao an-tampon-tanànan’i Moramanga omaly.
Vehivavy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no maty novonoim-badiny tamin’ny fomba feno habibiana ary lasa nitsoaka ity farany nony avy eo. Raha araka ny loharanom-baovao avy amin’ny manodidina dia karazan’irony nisy fifamaliana irony teo amin’izy mivady. Samy namoaka ny tao am-pony araka izany ny tsirairay ka tsy nahazaka ralehilahy. Nanainga tanàna ity farany vokatr’izany ary tena nanampatra ny heriny mihitsy. Toy ny nodorana hatramin’ny endrik’ilay Ramatoa ary tsy namelany raha tsy afaka ny ainy. Raha araka ny vaovao hatrany moa dia mbola niampy famonoana sy daroka hafa izany. Miantso izay mahalala na mahita an-dRandrianasolo James Sostène ilay lehilahy namono am-badiny araka izany ny fianakavian’ny maty mba hampandre ny manam-pahefana akaiky azy indrindra. Raha araka ny fanazavan’ny psikology iray moa dia olona mifoka rongony na misotro toaka no mahavita mamono mahafaty ny olona akaiky azy tahaka izao. Aretin-tsaina amin’ny ankapobeny no manosika azy ireny hanao izany saingy hanenenany mafy rehefa misava ny toakany na ilay rongony nofohany.
Pati
Legende : Tahaka izaono nihafaran’ilay Ramatoa maty novonoim-badiny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.