Actualités

LEHILAHY MIVARO-TENA Mahazo 40.000 Ar isan’andro raha kely


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2023

Milaza ho lasa be mpankafy noho ny vehivavy ireo lehilahy mivaro-tena eto an-drenivohitra. Mahay lavitra noho ny vehivavy hono mantsy izy

ireny raha ny fahaizana mihaingo sy miangolangola ary mampiresaka hoy ny loharanom-baovao azo. Mitondra 40.000 Ar mody isan’andro araka izany ny iray amin’izy ireny raha kely. Raha araka ity vaovao azo ity hatrany dia amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao no tena mahatsara ny asa fiveloman’izy ireo. Asa na noho ny fitadiavana hafanana katsahin’ireo mpanjifa azy ireny no antony mahatonga izany na tsia. Ho an’ireo vehivavy mpivaro-tena kosa anefa dia eo ho eo ihany ny tsena na dia mangatsiaka aza ny andro. Ny faran’ny herinandro indray no nambaran’izy ireny fa mampety ny tsenany indrindra fa ny Zoma alina. Mikasika ireo lehilahy mivaro-tena manokana moa dia fantatra fa tena manaparitaka haingana ny aretina SIDA amin’ny olona ny fisian’izy ireny. Ny 15 %-n’ireo olona lasibatry ny SIDA eto amintsika mantsy dia vokatry ny fiarahan’ny lahy samy lahy avokoa na vavy samy vavy. Ny 7% dia ireo mpitsindrona zava-mahadomelina raha ireo mpampanofa tena ny 5%. Nitombo ho 34,72% moa ireo olona voan’ny SIDA teto amintsika tao anatin’ny enim-bolana ho an’ny taona 2021. Raha niisa 8.034 izany ny volana Desambra tamin’io taona io dia tafakatra 10.836 izy ireo ny volana Jona taona 2022.
Nangonin’i Pati
Legende : Resin’ireo lehilahy mivaro-tena ireo vehivavy mivaro-tena sasany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT