Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément
no hita faty tao anaty rano tao Bemongo ambanin'ny Hotely Sokela Ambositra, lalam-pirenena fahafito, omaly Alakamisy 25 Aprily tolakandro. Raha araka ny fantatra dia avy any Ankira Fokontany Andriamanalina ity lehilahy ity ary niainga tao an-tranony omaly tokony ho tamin’ny 2 ora folakandro. Ora roa taorian’izay monja dia ny vatana mangatsiakany sisa no hitan’ny fianakaviany efa natsingevan’ny rano. Olona nipetraka manodidina ilay toerana no nahita ny razana ka nampandre ireto farany.Raha ny nambaran'ny fianakaviana dia manana tsy fahasalamana ity lehilahy ity ary misy fihetsehany izany, antony nitadiavan'ny fianakaviana azy vao tsy hita tao anatin'ny fotoana fohy izy. Tonga teny an-toerana nizaha ny razana ny avy ao amin’ny polisim-pirenena sy ny dokotera eo anivon'ny CSB II Vatovory Ambositra.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay lehilahy efa tsy salama !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.