Lehilahy miisa 5 nila ady

Nahafaty olona tamin’ny lefona


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Resaka fialonana no nitarika lehilahy miisa 5 nila ady tamina mpirahalahy

tany Ankilimidega/Anja, kaominin'i Ejeda, distrikan'Ampanihy Andrefana, ny talata 5 marsa teo, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Notsatohan'izy ireo lefona ny iray. Nitsofoka teo amin'ny heliny havanana ary nipoitra teo amin'ny ilan-kibony havia ilay zava-maranitra. Tsy tana ny ainy. Ny rahalahiny kosa voa teo amin'ny lohany. Velon'aina! Ny zava-misy dia mpivarotra hazo fanamboarana vata-paty io namoy ny ainy io ary mahalafo hazo betsaka tokoa. Nialona azy noho io fivelomany hita fa mivoatra io ireo 5 lahy ka izay no nanaperan'izy ireo ny ainy. Nandositra izy ireo rehefa nahavita ny asa ratsiny. Nanokatra fanadihadiana ny zandary, raha ny fampitam-baovao voaray farany hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT