LEHILAHY MATY NANATON-TENA

Namoy fo noho ny aretiny sy ny karamany


  • Talata 16 Desambra 2025

Raim-pianakaviana iray no maty

nanaton-tena ny Alahady 14 Desambra lasa teo teny Ankazomanga Atsimo. Raha araka ny fanazavan'ny anabaviny iray dia ilay aretiny izay nandazo azy ka tsy nahafahany niasa nandritra ny 2 volana no tena nampamoy fo azy. Toraka izany koa ny karamany izay tara ny fanfoavan'ny orinasa azy. Kivy tanteraka Ingahirainy vokatr'izany. Nahare vaovao ihany koa mantsy izy hoy ity anabaviny ity fa mbola hananan'ny orinasa vola. Naniraka io anabaviny io nividy nuvan izy noho izany tamin'ny Alahady marainabe saingy tsy nety nandeha itsy voalohany. Mahana ny rehetra nanomboka teo ka nanomboka nanara-maso azy. Nitohy tamin'ny fiambenana an'Itompokolahy mba tsy hanaotao foana izany kinanjo nahavita namono tena ihany izy. Rehefa samy reraka mantsy ny rehetra dia namonjy ny tokantranony avy. Nandritra izany no nanatanterahany ny faniriany ka izao tsy tana izao ny ain-dehibeny. Tsiahivina fa lehilahy no betsaka mamono tena eto amintsika raha oharina amin'ny vehivavy. Ankoatra ny resa-pitiavana dia anisan'ny antony manosika azy ireny hamono tena koa ny sedra-piainana toy ny tsy fananan'asa ...
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT