Lehilahy iray voalaza sy voaporofo fa tratry ny aretina Pesta ka namoy ny ainy ny 07 Febroary
lasa teo tany Bemongo Ambositra ary nalevina am-pasam-bahiny no noloaran’ny havany tao hoy ny loharanom-baovao azo. Ny fanadihadiana nataon'ny manam-pahefana no nahafantarana fa nentin' ireo havany ilay razana ary halevina any Ambohibary Sambaina izay toerana misy ny fasan-drazany. Tsiahivina moa fa tsy azo alevina miaraka amin’ny besinimaro ny olona matin’ny Pesta fa tsy maintsy hatao am-pasam-bahiny na toerana voatokana mihitsy. Mitovy ihany izy sy ny olona matin’ny COVID 19 amin’ny ankapobeny. Ny tanjona dia ny hahafaty tanteraka ilay mikraoba ka tsy hiparitahany izay ho entin’ireo voalavo tafiditra any am-pasana mivoaka ety ivelany izay mety hamono ny velona indray. Ahiana hiteraka olana ara-pahasalamana ho an’ireo fianakaviana nitondra ny nofo mangatsiakan’ny maty araka izany ity aretina Pesta ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Voakirakira ny nofo mangatsiakan’ilay maty efa niala sasatra tsara !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.