Sinibe fitehirizana betsa na toaka gasy no nahitana fatin-dehilahy iray omaly 02 aogositra tamin'ny 07ora maraina tao Sambava.
Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa Mageso na Kamisy Séraphin no anaran’ilay maty ary vao 29 taona monja ny lehilahy. Tao anaty basinina miaty 250 litatra no nahitana ny nofo mangatsiakany taorian’ny hamamoana niainany ny alin’ny 31 Jolay lasa teo, hoy ny vaovao. Mbola niezaka nanampy ny toaka hosotroany ihany mantsy Ingahirainy kinanjo nianjera. Nasolifatr’ilay zerikana saika hataony tohatra izy ka lasa tao anatin’ilay basinina. Sempotra tao ny anao lahy noho izany tafavoaka intsony. Tamin’ny 07 ora maraina vao hita izy saingy efa tsy nisy fofon’aina aina intsony hoy sefom-pokontany any an-toerana. Omaly Talata folakandro moa no nalevina tao amin’ny fasan-drazany ao Soavinandrina Sambava ny razana.
Pati
Tahaka izao ilay basinina nametrahan-dRatompokolahy ilay zerikana saika hataony tohatra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.