LEHILAHY IRAY NISANDOKA HO MPITSARA

Nikasa haka 56 tapitrisa Ar tamin’ny olom-boafidy iray teo aloha


  • Alarobia 18 Jona 2025

Olom-boafidy iray teo aloha, tao Ambatondrazaka no nitaraina fa nisy lehilahy niantso

azy foana ary mitonona ho mpitsara miasa ao amin’ny tribonaly Ambatondrazaka. Nilaza ity lehilahy ity fa misy raharaha eny amin’ny fitsarana momba ity olom-boafidy teo aloha ity, ka mba hampilamina izany dia nangataka vola 56 tapitrisa Ar taminy io olona mitonona ho mpitsara io.Nampitahotra ity mpitsara sandoka ity fa raha tsy mandoa ny vola izay takiany ilay olom-boafidy teo aloha dia hampidirina am-ponja avy hatrany. Manoloana izany dia nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny Polisim-pirenena ao Ambatondrazaka ilay lasibatra. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny ireo Polisy tao an-toerana nametraka velam-pandrika niarahana tamin’ilay olom-boafidy. Ny marainan’ny 14 jona teo dia voasambotra teny Avaradrova, Ambatondrazaka ny lehilahy iray 47 taona saika haka ilay vola. Nahitana basy poleta iray marika Italiana sy bala miisa 12 calibre 22 LR teny aminy, niampy bala calibre 12 miisa 6, tamin’ny fisavàna. Niakatra fitsarana omaly moa ity mpitsara sandoka ity. Pati
Legende : Ity ilay ranamana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT