Actualités

Lehilahy hita faty teny Alasora Misy ifandraisany amin’ilay moto nihosin-dra


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Ny 02 oktobra 2020 lasa teo nandritra ny fanatanterahan’ny polisy ny asa mahazatra azy amin’ny andavanandro dia nahatsikaritra lehilahy iray nanosika moto marika « yamaha JOG PRO » avy any Alasora izy ireo.

 

 

 Rehefa nosakanana anefa ity lehilahy ity dia tsikaritr’ireo polisy fa mihosin-drà ilay moto. Avy hatrany dia nentina namonjy birao ity lehilahy ity nanaovana fanadihadiana. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa tsy azy ilay moto fa an’ny rahalahiny izay mamo ka naratra noho lozam-pifamoivoizana. Ora iray taorian’izay anefa, dia nahatsikaritra dihana ilo ireo polisy nanao fisafoana teny amin’ny manodidina. Tsy niandry ela ireto farany fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fikarohana. Fatin-dehilahy iray manodidina 28 taona no hitan’izy ireo nandritra izany. Nandritra ny fanamarinana nataon’ny dokotera sy ny Polisy no nahafantarana fa ity lehilahy hita faty ity no tompon’ilay moto. Mbola manohy ny fanadihadiana ny polisy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT