Zazavavy kely vao 11 taona monja monina any Ambatolaona Mantasoa no fantatra na naolan’ny anadahin-dReniny efa 49 taona im-balo misesy.
Rahonany ilay zaza mandritra izany ary hanaovany firaisana an-terisetra. Rehefa naheno izany anefa ny renin'ilay zaza izay anabaviny dia tsy nanaiky na dia norahonany ihany koa aza, indrindra raha vao mitory azy. Raha ny fantatra moa dia tsy vao izao ity lehilahy tsy mataho-tody ity no nanolana fianakaviana tahaka izao fa efa nisy ihany koa havany miisa roa efa "novetavetainy" fony fahazaza saingy novitaina tamin’ny raharaham-pianakaviana fotsiny izany. Natolotry ny renin'ilay zaza ny borigadin’Ambatolaona ny fitoriana ka niarahan'ny fokonolona natao ny fikarohana ilay Rangahy ary dia voasambotra soa aman-tsara izy. Ireo heloka bevava roa sosona ireo moa no hiampangàna ity lehilahy 49 taona ity ka hanolorana azy eo anatrehan’ny fitsarana.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.