Lehilahy 2 nikasa hanolana

Notakian’ny fampanoavana haiditra any Tsiafahy


  • Talata 09 Janoary 2024

Nentina teo anatrehan'ny fampanoavana omaly 8 janoary 2024 ny lehilahy 2

izay voarohirohy ho nanandrana nanolana zazavavy latsaky ny 15 taona. « Lazaina fa misy ny andrana rehefa nanao ny fihetsika manomboka izany izy ireo », hoy ny fanazavan’ny fitsarana. Ho an'ny voalohany dia voalaza fa nisy ny fisintonana ny niharam-boina hanaraka azy, ho an'ny faharoa kosa dia ny fanesorana ny fitafiany. Mitovy ny sazy miandry ny mpanolana sy ny nanandrana izany araka ny voalazan'ny andininy 332 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana izay samy asa an-terivozona, raha ny fanazavana. Mitaky ny famonjàna ireo lehilahy ireo any amin'ny fonjaben'ny Tsiafahy ny fampanoavana ary tsy handefitra amin'ny mety ho fangatahana fahafahana vonjy maika, araka ny nambaran'ny Tonia mpampanoa lalàna Fitsarana ambaratonga voalohany, Rakotoniaina Narindra Navalona. Nomaarihina hatrany fa na dia manatsoaka ny fitoriany aza ny mpitory dia mitohy hatrany ny fanenjehana ataon'ny fampanoavana. Ny faran’ny herinandro teo moa no efa nanamafy Tale Jeneraly misahana ny raharaham-pitsarana, ny fandinihana sy ny fanavaozana eo anivon’io Minisiteran’ny Fitsarana Rtoa Randrianarisoa Salohy Norotiana, fa tsy mitazam-potsiny ny fitondram-panjakana fa efa mandray fepetra ary mbola handray fepetra mafy kokoa, araka ny tsindri-peo nomen’ny Filoham-pirenena ny Fitsarana manoloana ny firongatry ny fanolanana. Fepetra noraisina ny fanamafisana ny teny midina nalefa eny amin’ny fampanoavana rehetra manerana ny Nosy ny politika famaizana na « politique pénale » momba ny fanolanana toy ny fanomezana tohiny mandrakariva ny fitoriana sy fitorohana na misintona ny fitoriana aza ny niharam-boina, hampiditra am-ponja vonjimaika na hitaky ny fampidirana am-ponja vonjimaika ny voarohirohy raha ampy ny vesatra misy, fisakanana ny fanomezana fahafahana vonjimaika, fitakiana sazy hentitra rehefa mandeha ny fotoam-pitsarana ka hita fa misy porofo, fampiakarana raha tsy afa-po amin’ny didy,…
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT