Tonga nitsidika ara-pomba am-panajana ny Minisitry ny filaminam- bahoaka Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa ny lehiben'ny fiarovana ara-diplomatika Amerikanina vaovao Kimpston Scott.
Nilaza ity lehiben'ny fiarovana ara-diplomatika Amerikanina ity fa matoky ny Polisim-pirenena tanteraka ary nankasitraka ny fiaraha-miasa efa nisy hatrizay no sady mbola vonona ny hampiroborobo izany, ka izay no isan'ny antony izao fitsidihana nataony izao . Ankilany, nanambara ny Minisitry ny filaminam-bahoaka fa mila tohizana sy hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin'ny roa tonta ka hirariana ny hivelaran'zany indrindra eo amin 'ny fampiofanana ireo Polisy Malagasy. Tsy nisalasala moa ity lehiben'ny fiarovana ara- diplomatika Amerikanina ity nanome toky fa vonona izy hanampy ny Polisy Malagasy raha ilaina izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.