LEHIBEN’NY BORIBORINTANY FAHATELO

Fokontany 16 isa no efa nanaovana fidinana ifotony


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Tsy tambo isaina sahady ny asa vitan-dRazafimandimby Rija Ethel,

lehiben’ny Boriborintany fahatelo vaovao taorian’ny nanendren’ny tompon’andraikitra azy hisahana io toerana io. Tato anatin’ny telo herinandro izao dia Fokontany miisa 16 no efa nanaovany fidinana ifotony, niaraka tamin’ireo delegasiona notarihiny. Nijerena ireo olana fototra misy isaky ny fokontany ao anatin’ity Boriborintany iray ity no anton’izany no sady hanomezan-danja ny lafiny mahaolona ihany koa. Narahina asa avy hatrany izany ka anisan’ireny ny fanaovana asa fanadiovana faobe, ny fanadiovana ny tata-drano, ny fandrakofana dalles maromaro ireo toerana banga na tsy nisy izany teo aloha, ny fanamboarana ireo lalana tany an’elakelan-trano ahiana handratra ny mponina indrindra fa ireo zokiolona sy ny ankizy mpianatra. Nisy ihany koa ny fihaonana tamin'ireo sokajy rehetra misy ao anatin’ny Boriborintany fahatelo toy ny orinasa, ny fikambanana, ny sefom-pokontany, ny sekretera mpitantam-bola ary ireo antokom-pivavahana misy. Tsy latsa-danja tamin’ireo ny fanentanana ny mponina mba hahay hanaja ny orea fanariana ny fako sy fandoavana ny hetran-jaoridira. Raha araka ny fantatra moa dia hitohy hatrany izany fidinana ifotony hataon’ny lehiben’ny Boriborintany fahatelo izany hijerena hatrany ireo vahaolana mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana. Misokatra ho an'ny rehetra moa ny fiaraha-miasa eo amin'ny Boriborintany fahatelo.
Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony notarihin-dRazafimandimby Rija Ethel, lehiben’ny Boriborintany fahatelo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT