Actualités

Lehiben’ny faritra Boeny Manameloka ny ny fanakorontanana nisy


  • Alarobia 06 Aogositra 2014

Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saďd Ahamad Jaffar, manameloka ireo hetsika fanakorontanana sy fandrobana fananana nitranga tao Mahajanga tampon-tanŕna ny Alatsinainy 04 Aogositra 2014 tamin’ny fidinana an-dalambe tsy nahazoana alalana nataon’ny mpianatry ny Oniversite Ambondrona

Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana harahina fampiharana ny lalàna, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity, ka dia manentana ireo rehetra izay voaroba sy simba fananana hametraka fitoriana eny amin’ny Fitsarana fa tsy halaim-panahy hanao fitsaram-bahoaka. Nambarany fa nohamafisina ny fitandroana ny filaminana taorian’iny trangan-javatra mampalahelo iny. Amin’ny maha Lehiben’ny Faritra no hanaovany izao fanambarana izao, hoy izy fa tsy amin’ny maha mpikambana amin’ny Komity mpanara-maso ny fampiharana ny drafi-pandaminana ny Oniversite azy. Marihina fa trangan-javatra tsy mahazatra no niseho tany Ambondrona ny Alatsinainy io, vao mangiran-dratsy tamin’ny 3 ora maraina, araka ny tatitra nataon’ny mpianatra vitsivitsy. Satria rehefa misy hetsika tian’ny mpianatra hatao dia misy aloha ny fivoriambe manapaka izany. Fa hafa tamin’ity indray mitoraka ity satria nofohazina tampoka tamin’ny torimaso ny mpianatra dia nentina nidina an-dalambe.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT