Lehiben'ny diplaomasia malagasy

Tena tsy mahay mandray lesona mihitsy…


  • Talata 18 Febroary 2025

Miezaka miaro sy mamadika ny faharesen’ny kandida natolotra tamin’ny fifidianana

izay ho Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Rasata Rafaravavitafika. Nambarany fa tsy faharesena velively, ary diplaomasia misy fahasahiana goavana ny firotsahana, kanefa hita soritra ny tsy firaisankina amin’ny samy Malagasy. Na tsy lany aza ny kandida ho Filohan’ny Vaomiera, dia misy mpikambana ao anatin’ny Vaomiera momba ny lalàna iraisam-pirenena (CUADI) satria voatazon’ny Dr Ramananarivo Narindra Arivelo ny toerany, lany tamin’ny isam-bato ambony 44/49 ny tenany. Izy izay marihina fa efa mpikambana tao anatin’io rafitra io nanomboka ny taona 2018, ary izao mbola lany izao. Mikasika ny fifidianana tsy nahalany ny kandida ho filohan’ny CUA kosa, «…Ny mampalahelo anatin’ny fifaninana tahaka itony dia mazana ny samy Malagasy no mifandrabiraby, tsy nisy ny firaisankina. Any ivelany anefa miray hina foana rehefa voninahitry ny Firenena na inona na inona firehana politika. », hoy ny Lehiben’ny diplaomasia Malagasy. Raha izany tokoa, tsy afaka nampandeferina ve ny hambo-po politika tamin’ny fanolorana kandida nanana herijika kokoa ? Mba nandinin-tena ny anton’ny tsy fahombiazana ve ny Fitondrana na nandany vola sy fotoana nitety an’i Afrika ary niditra an-tsehatra hatramin’ny Filoham-pirenena aza ? Tsy mandray lesona ny fitondrana, ary mieritreritra fa azo teren-ko masaka ohatran’ny atao amin’ny Malagasy io. Efa tsy atokisan'ny olona, efa ratsy naoty amin'ny zavatra rehetra ataony : fahantrana, toekarena, demokrasia, kolikoly,… Dia manantena ve ianao fa izany no hanankinan'ireo firenena 55 mpikambana ao amin’ny UA ny politikany sy diplaomasiany ? Ny SADC aza nilaza hanohana kanefa 10/16 no nandrotsa-bato, nihena 7, lasa 5,… Nodradradraina nanakoako tsy teto ihany fa hatrany ivelany fa ny Filoha Malagasy no voafidy ho mpitarika mendrika indrindra taty Afrika ny taona 2024 saingy tsy nitondra tsio-drivotra miabo tamin’ny fifidianana nandraisana anjara. Tsy resy lahatra izany ny Afrikanina ! Manamafy sy mampibaribary, tsy dia asian’ny olona lanjany toy ny tamin’ny tetezamita ihany ny mpitondra eto, maivana ny diplaomasia Malagasy,… Na ny minisitry ny raharaham-bahintsika aza moa efa fanimbalony nisolo hatramin’ny taona 2019 niverenan-dRajoelina teo amin’ny fitondrana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT