Legioma ao Mahajanga

Midangana ny vidin’ny ovy sy karaoty


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

750 hatramin’ny 850 Ariary amin’izao fotoana izao ny kapoakam-bary ao Mahajanga ao,

raha ny fampitam-baovaon’ny mponina any an-toerana. Tsy amidy amin’ny kilao moa ny vary aty, hoy izy. Azo lazaina ho lafo ihany izany satria akaiky i Marovoay saingy noho ny haratsin’ny lalana dia tsy tafakatra ny vokatra. Ny legioma toy ny ovy sy karaoty no tena lafo vidy satria 1000 Ariary izao ny fahefany amin’ny ovy nefa eto Antananarivo 1400 Ariary ny kilao. 1000 Ariary koa ny fahefany amin’ny karaoty nefa eto Antananarivo 2000 Ariary ny kilao. Ny voatavo no mora satria saika mpamboly voatavo ny mponina. Ny anamamy sy anamalaho koa mora, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny mponina any an-toerana mikasika izay vidina legioma sy sakafo ilaina an-davan’andro ao Mahajanga izay. Azo lazaina ho renivohi-paritra isan’ny be mpiala sasatra moa i Mahajanga. Amin’ny ankapobeny, raha ny fampitam-baovao voaray avy eny anivon’ireo tobim-piantsonam-piara eto Antananarivo kosa, dia mbola maro ihany amin’izao fotoana izao ireo, ireo fianakaviana, fikambanana, mpinamana mikarakara fidinana na koa koa hoe mivonona ny mbola hidina any amin’ity renivohitry ny faritanin’i Boeny ity amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT