Nanomana fihenam-bidy
goavana ireo mpandray anjara
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 1 Oktobra 2026 teny amin’ny Olympia Tanjombato ny hetsika « Le Premier rendez-vous de l’immobilier », izay natokana hampahafantarana ireo sehatra sy tolotra samihafa mifandraika amin’ny fanorenana trano sy ny fananan-tany. Manomboka amin’ny tany hanorenana, hatramin’ny fanatanterahana sy famitana ny asa, ary ireo kojakoja sy fitaovana ilaina ao an-tokantrano, dia hita ao anatin’ity hetsika ity. Anisan’izany ihany koa ny vahaolana mifandraika amin’ny angovo, izay manampy amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny toeram-ponenana. Mifanandrify amin’ny Volan’ny Tanàn-dehibe sy ny Toeram-ponenana, izay ankalazaina maneran-tany mandritra ny volana Oktobra, ny fanatanterahana ny hetsika . Nosafidiana manokana ny Olympia Tanjombato, izay heverina ho toerana maneho ny hoavin’ny fanorenana sy ny toeram-ponenana, ary afaka manome aingam-panahy amin’ireo tetikasa trano sy fandraharahana ho avy. Miahy ny hetsika ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany (MATSF), izay miandraikitra ny sehatry ny toeram-ponenana ary manohana ny hetsika mikendry ny hampahafantatra sy hanoro lalana ireo olom-pirenena eo amin’ny sehatry ny fanorenana sy ny fananan-tany. Mandritra ny hetsika dia misy tranoheva manokana an’ny Minisitera sy ireo sampan-draharaha ao aminy. Ao no ahafahan’ireo mikasa hanorina trano, na mbola eo am-panomanana ny antontan-taratasy, mahazo torohevitra. Afaka manatona ihany koa ireo olona manana olana na fanontaniana mikasika ny fananantany. Nohamafisin’ny Filoha Tale Jeneralin’ny MMJ Society, Atoa Michel Joseph, izay mpikarakara ny « Le Premier rendez-vous de l’immobilier », fa nanomana fihenam-bidy manokana ireo mpandray anjara, izay miisa 80 tranoheva, mba hahafahan’ny mpitsidika misitraka tolotra sy vokatra amin’ny vidiny mirary. Mbola hitohy hatramin’ny 4 Oktobra 2026 ny hetsika, ary maimaim-poana ny fidirana ho an’ireo rehetra liana sy te-hitsidika.
Solotiana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.