Nisy nanafika ny tao amin'ny hotely le Glacier omaly maraina. Lehilahy iray mpitam-bola tao amin'ity toerana ity no naratra mafy vokatr’izany ka vaky ny lohany
Jiolahy iray tsy fantatra no niditra an-keriny tao ka avy hatrany dia nidaroka sy naka ny vola rehetra. Raha ny fanazavana voaray dia mbola teo am-panisana vola izy ireo no niditra tampoka ilay mpangalatra. Minitra vitsy monja no nisehoan’izany rehetra izany ary dia tsy hita ny nanjavonan’ilay jiolahy. Ny mpiasa tao an-toerana dia niahiahy fa efa nitily lavitra ity olona ity ka niandry kendritohina fotsiny. Nentina haingana teny amin'ny hopitaly ny naratra ary efa misokatra ny fanadihadiana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.