Tena fady ny mitokana zavatra tsy vita raha ny dingana na «Procedure»
ao anatin'ny «finance publique», izany hoe, fitantanam-bolam-panjakàna no jerena, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison. Tsy misy an'izany eto ambonin'ny tany hoe ny 2%n’ny asa no vita dia azo atao «réception» na tokanana, hoy izy. Tena loza ny mitranga eto amin'ity firenena ity satria ireo «Responsable des marchés publics» na tomponandraikitry ny tsenam-baro-panjakàna izany dia manaiky izao zava-misy izao. Ny «Gestionnaire d'activité» na mpiandraikitra ny fitantanan-draharaha, ny «Ordonnateur» na mpanapaka hevitra, ny «Comptable» na mpitàm-bola, ny ARMP, ny PRMP, ny «Contrôle financier» na fanaraha-maso ny ara-bola, ireo rehetra ireo izany dia voahitsaka an-tampon-doha daholo. Raha mividy fiarakodia izany ny fanjakàna ka nanatitra kodiarana iray ianao dia efa azo raisina izay raha izao. Tsy resahako eto ny resaka tekinika fa efa be ny manazava fa tsy «autoroute» na lalambe izany io. Tsy mahagaga moa fa ohatran'ilay hoe manara-penitra tsy misy WC na toeram-pivoahana ihany io. Miomàna ianao izay vonona hanarina fa ho be ny asa miandry, hoy hatrany ity filohana antoko ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.