Laza Razafiarison

"Ambony ny fitokanana fiara noho ny Malagasy maro maty"


  • Alakamisy 17 Jolay 2025

Nitondra kiana mivaivay manoloana ny fomba fiasa sy fihetsiky

ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina i Laza Razafiarison omaly, teo anatrehan'ny fikarakarana lanonam-panjakana nandraisana fiara raitra avy amin'ny sinoa. “Izaho ry zareo aza fidiana ho filoha raha fandraisana lakile fiarakodia no asa atao a!”, hoy i Laza Razafiarison. “Ny maty any Ikongo mbola zava-dehibe kokoa amiko, fa raha fitokanana fiarakodia dia tena tsy hivoahako ny birao raha tsy hoe efa tsy misy asa hafa intsony miandry ahy,” hoy ity farany. Mifidiana ianareo, hoy izy, olona hafa, fa tsy mahaliana ahy ilay asan’ny filoha raha izao. Fanamarihana nentiny ny hoe: “Fiara 16 vs olona maty aman-jatony any Ikongo, 17 tao Ambositra, 29 Tanà, 3 Mahajanga, Manakara, Toamasina, Antalaha, Mahasoabe,...”. Nahitsy i Laza Razafiarison naneho hoe Fiara eo i Andry Rajoelina, Malagasy maty : .....". Raha jerena amin'ny lanjan'ny fanambarana nataony, dia tsy tsikera fotsiny no narosony fa fanakianana sy fampisaintsainana lalim-paka manoloana ny fihetsika ara-politika sy ara-pitondrana manamaivana ny fiainan’ny olom-pirenena sy ny maha olona. Toa manamafy fa tsy ampy fahatsiarovan-tena ara-moraly ny manam-pahefana amin’ny fitantanana krizy sy loza mitranga manerana ny faritra, raha oharina amin’ny lanonana mirentirenty sy fandraisana fitaovana vaovao. Fanehoan-kevitra manaitra manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha sosialy sy maha-olombelona, izay ahitana olana lalina amin’ny fomba fanehoan’ny mpitondra fa mijery sy mitsinjo vahoaka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT