Actualités

Laza adina BEPC namidy 60 000 ariary Voasambotra ireo ati-doha nikotrika


  • Zoma 08 Aogositra 2014

Isan’ny raharaha nampisy resa-be ilay “raharaha laza adina nivoaka mialoha”, taranja tantara sy fizika, nitranga tao amin’ny CISCO Fenerivo atsinanana, ny alatsinainy teo no nampidirina am-ponja vonjy maika ireo mpianatra 4 mianadahy ka tovovavy ny iray.

Voalazan’ny fanadihadiana fa tratra nitondra ny valin’ilay laza adina efa nivoaka mialoha ireto mpianatra 4 mianadahy ireto ny alarobia maraina nanaovana ny fanadinana, ary mbola nahatrarana valina laza adina hafa ihany koa tany an-tranon’izy ireo raha nosavaina. Nohamafisina anefa ny fanadihadiana ary niakatra fitsarana omaly, ireo tena ati-doha nikotrika ity aferana laz aadina ity, izany nahitana ny “chef de centre” sy ny lehiben’ny ZAP kaominina Ambodiampana izay namoaka ireo laza adina an-tsokosoko mialoha, satria hatreto dia tsy nisy ny fitarainana na fanambarana avy amin’izy ireo ny amin’ny fahavakisan’ny efitrano nametrahana ireo laza adina. Ingahy Martial mpampianatra vao nivoaka teo anivon’ny CRINFP Fenerivo atsinanana farany teo, no nizara ny valiny tamin’ireo mpianatra sy namarotra izany “Ar.60.000” tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Vokany, mitaky ny hamotsorana ireto mpianatra tsy manan-tsiny am-ponja fa omena ny sazy ara-panabeazam-panjakana ireo raiamandreny ao Fenerivo atsinanana. Ireto ati-doha 3 mirahalahy ireto kosa dia miandry ny fitsarana azy ireo any am-ponja. Ankoatra izay, araka ny angom-baovao ihany dia efa manana raharaha hafa tao amin’ny kaominina Andapafito koa ity Martial ity, satria tamin’ny fotoana mbola naha-mpampianatra FRAM azy dia efa nanolana zazavavy mpianany vao 13 taona ny tenany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT