Actualités

Lavarangana nianjera teny Isotry Olona 7 no tototra tao ambany “beton”


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Nitrangana toe-javatra nampalahelo tetsy Isotry ampitan’ny BMH omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora. Lavarangana amina trano lehibe iray miorina eny an-toerana no nihotsaka tampoka ka nifatratra tamin’ireo mpivarotra kitapo teo akaiky izay tsy nanampo na inona na inona.

 

 

 

 Olona fito nahitana raha araka ny fantatra no tototra tao izay fantatra fa tena voa mafy tokoa. Ilay beton mantsy no nitsena azy ireo avy any ambony ka tapa-tongotra ny roa tamin’izy ireo, nisy ihany koa ny tsy nahatsiaro tena raha vaky ny andrin’ny sasany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Talohan’ny nitrangan’ity loza ity moa raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia efa nampitaraina fatratra ireo mponina teny an-toerana ny vovoka sy ny tariby mitondra herinaratra nilatsaka avy tamin’io trano io, tranga izay toa efa nampilaza mialoha ihany tamin’ny ankapobeny. Tonga teny an-toerana nanampy ny fisokirana ireo mpivarotra ireo moa ny mpamonjy voina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT