Actualités

Lavanila any Sambirano Tsy vaky ny tsena fa tsisy vola ny mpanangona


  • Zoma 26 Mey 2023

Omaly alakamisy 25 may 2023 no fotoana nofaritana fa hisantarana ny tsenan’ny lavanila tao Ambalahonko, Ambanja. Tsy vaky anefa ny tsena,

valaketraka tanteraka ny vahoakan’i Sambirano, maty fiainany tantsaha maro. Tsy misy vola ireo mpanangom-bokatra fa nihitsoka amin’ny lavanila tamin’ny “campagne” farany 2022-2023, hany ka tsy misy hampiasaina. Mitaraina ireo mpisehatra satria tena nitotongana tanteraka ny sehatry ny lavanila, indrindra fa tato anatin’ny 4 taona farany. Raha fampiakarana avo 3 heny no nampanantenaina tamin’ny kabary politikan’ny mpitondra ankehitriny, dia fitotonganana tsy mbola fahita hatramin’izay no miseho. Raha manodidina ny 1 tapitrisa ny kilaon’ny lavanila matohy efa vonona haondrana tany amin’ny 2017-2018, nantenaina fa ho any amin’ny 3tapitrisa Ar, dia nitotongana any amin’ny 2 hatramin’ny 3 hetsy, ary ny mando aza dia misy hatrany amin’ny 2 alina Ar,… Ny lavanila anefa no tena miantoka ny fiainan’ny ankamaroan’ny fiainan’ny olona any amin’ny tapany avaratr’i ny Nosy iny, kanefa dia toa tapi-dalan-kaleha tahaka ny valala voatango ankehitriny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT