Lavadrano haorin’ny governemanta

Mivadika ho tetikasan’ny kandidam-panjakana angaha?


  • Talata 03 Desambra 2024

Miditra amin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fampielezan-kevitra ireo kandida ben’ny tanàna manerana ny Nosy.

Anisan’io ny eto Antananarivo izay samy manana ny fomba entiny mandresy lahatra ny vahoaka ny rehetra. Mampametra-panontaniana sy mampiahiahy kosa na izany aza ny fihetsika asehon’ny «kandidam-panjakana » ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Tsy resaka fankahalana na fanenjehana ny kandida Rtoa Harilala Ramanantsoa, saingy any amin’ilay fomba fanao ara-politika kosa no tiana horesahana eo anatrehan’ny fanaovana fitaovana ny tetikasan’ny governemanta. Hita mantsy omaly, fa nidina ifotony nijary ny tetikasa fanaovana lavadrano izay toa ny fampanantenan’ny governemanta io kandidan’ny TGV io ka asa hoe : nivadika ho tetikasan-dRtoa kandida sa izy no misavika ny fampanantenan’ny governemanta ? Japiana ho an’ny tombotsoan’ny kandida ny fandaharan’asam-panjakana sa tetikasany manokanany hafa mihitsy ity? Raha tsiahivina mantsy, ny volana septambra no notapahana tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ny hanaovan’ny Fanjakana fandavahana lavadrano miisa 35 eto Antananarivo sy ny manodidina amin’ny sandany 4,99 miliara Ar ka asa na tetikasany manokana ity notsidihin’ny kandidam-panjakana ity na tafiditra ao anatin’ireo ? Raha atao ny kajikajy, manome 142 tapitrisa Ar ny manao ny iray amin’ireo ka asa hoe : lavadrano tahaka ny ahoana loatra ? Misy ve ny mangaraharaha sa bizina avo lenta ? Iza no nahazo ny tsenambaro-panjakana ? Raha hanao fampitahana, ny kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo Tahina Razafinjoelina izay olon-tsotra aza efa nahavita lavadrano manodidina ny 40 eto Antananarivo. Raha hatao hoe 500 000 hatramin’ny 1000 000Ar no mahavita lavadrano tsotsotra kanefa mety mahavaly ny filàn’ny mponina, dia mahavita hatrany 4 990 lavadrano izany ilay 4,99 miliara Ar raha raisina amin’ilay kaonty ambony. Tena mitombina sy ara-drariny ve raha lavadrano iray 142 tapitrisa Ar ? Izany ilay ilàna mangarahara izay làlan-tsaina sy soatoavina voizin’ny kandida Tahina Razafinjoelina amin’ny resaka fitantanana ny raharaharam-panjakana sy volam-panjakana izay havoitra ao anatin’ny Antananarivo nomerika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT